arpm_logo

Autorité de Régulation des Marchés Publics


ARMP

𝐅𝐢𝐟𝐚𝐦𝐢𝐧𝐝𝐫𝐚𝐦-𝐩𝐢𝐭𝐚𝐧𝐭𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚

      Tontosa ny 30 May 2022 tao amin’ny biraon’ny Plan Anosy ny fifamindram-pitantanana telo sosona teo amin’ny 𝗦𝗮𝗺𝗽𝗮𝗻𝗱𝗿𝗮𝗵𝗮𝗿𝗮𝗵𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗧𝘀𝗲𝗻𝗮𝗺𝗯𝗮𝗿𝗼𝗺-𝗽𝗮𝗻𝗷𝗮𝗸𝗮𝗻𝗮 (𝗔𝗥𝗠𝗣).
     - Ny voalohany dia fifamindram-pitantanana teo amin’Andriamatoa RAZAFY Harison Vonjy Tale Jeneraly teo aloha sy Ramatoa RANJAVOLOLONA Julie Claudette, Tale Jeneralin'ny ARMP vaovao.
     - Ny faharoa indray dia fifamindram-pitantanana teo amin’Andriamatoa RANDRIANASOLO Harinjato Herinirina, Filoha teo aloha sy Ramatoa RAHARINIAINA Angélinà, ho Filoha vaovao ny Komitin’ny « Réglementation et de Recours » .
     - Ary ny fahatelo, dia fifamindram-pitantanana teo amin Andriamatoa RASAMOELINA Jean Claude, Tale teo aloha sy Andriamatoa JAONASY Anivosoa, Talen’ny Fitsirihana Anatiny vaovao. Tonga nanatrika izany fotoana izany ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Ramatoa RABARINIRINARISON Rindra Hasimbelo ary nitondra fisaorana sy fankasitrahana ho an’ireo tompon’andraikitra teo aloha sy fanentanana ho an’ireo hisolo toerana. Notsindrian-dRamatoa Minisitra nandritra ny lahateniny ny '' 𝗳𝗶𝘁𝗮𝗸𝗶𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝘀𝗮𝗵𝗶𝗮𝗻𝗮 𝗺𝗶𝘁𝗼𝗻𝗱𝗿𝗮 𝗳𝗮𝗻𝗮𝘃𝗮𝗼𝘇𝗮𝗻𝗮 ». Fotoana izao hoy izy « 𝘩𝘢𝘯𝘰𝘷𝘢𝘯𝘵𝘴𝘪𝘬𝘢 𝘯𝘺 𝘵𝘢𝘯𝘵𝘢𝘳𝘢 𝘦𝘰 𝘢𝘯𝘪𝘷𝘰𝘯'𝘯𝘺 𝘛𝘴𝘦𝘯𝘢𝘮𝘣𝘢𝘳𝘰𝘮-𝘱𝘢𝘯𝘫𝘢𝘬𝘢𝘯𝘢, 𝘮𝘪𝘵𝘰𝘯𝘥𝘳𝘢 𝘯𝘺 𝘻𝘢𝘷𝘢-𝘣𝘪𝘵𝘢 𝘢𝘳𝘺 𝘮𝘢𝘮𝘦𝘵𝘳𝘢𝘬𝘢 𝘵𝘢𝘯𝘵𝘢𝘳𝘢 '' eo anivon’ity Sampandraharaha ity.
Marihina fa tapitra ny volana Martsa 2022 teo ny fe-potoana niasan’ny mpitantana teo anivon’ity Sampandraharaha ity ka anton’izao fanovana tamin’ny Filankevitry ny Minisitra ny alarobia 25 May 2022 izao.

Copyright©2022 Équipe de la DSI ARMP.